Gasy ka raha …

Arak’ireo fanazavàna farany natao tamin’ny gazety laharana voalohany, dia fantatsika tsara fa ny tanjon’ny VJ dia ny fideràna an’Andriamanitra sy ny fitoriana ny Teniny. Tsapa anefa ary tsy ho adino mihitsy aty an-tany lavitra aty fa zava-dehibe koa ny fahatsapàna ny maha-Malagasin’ny gasikara ny tenantsika.
Noho izany dia tsy misy ny manakana na ny maharatsy ny mampiseho izany fananantsika an’i Gasikara izany aty ampitan-dranomasina aty amin’ny alalan’ny hira sy ny dihy Malagasy. Ka noho izany, dia manomana fampisehoana hira sy vako-drazana malagasy ny VJ amin’izao fotoana izao, izay hatao amin’ny Alahady 18 jolay 1999 ao amin’ny salle paroissiale de St Marc ao Lausanne. Ity fampisehoana ity dia miditra amin’ny fankalazana ny jobily faha-5 taonan’ny VJ amin’ity taona 1999 ity.
Mbola hampitain’ireo mpikambana aminareo tapaka sy namana ny taratasy fanasana ho amin‘izany. Ny vokatry ny vidim-pidirana ho voaray amin’izany dia ho entina hanatanterahana ny tanjonay amin’ity Jobily ity, toy ny fividianana akanjo fanamiana sy fitaovana samihafa.Dia mino sy matoky izahay fa hahazo ako izao antso izao satria ny fahatongavana sy ny fandraisan’ny tsirairay anjara no hahalavorary ny fampisehoana.

Manitra

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *